Kristianisma aty Afrika

Bet Giyorgis (Etiôpia)

Ny krisianisma aty Afrika dia tafaorina tamin' ny taonjato voalohan' ny fivavahana kristiana, indrindra tao Afrika Avaratra nofehezin' ny Rômana. Tamin' ny taona 1910 dia ny 1 %n' ny Kristiana no hita taty Afrika, tamin' ny taona 2010 dia nahatratra ny 23 % izany. Vitsy anisa ny Kristiana any Afrika Avaratra fa fivavahan' ny maro anisa kosa izy aty Afrika atsimon' i Saharà (63 %). Ny kristianisma dia hita aty amin' ny tapany atsimo amin' i Afrika ary saika manerana an' i Afrika Afovoany sy Afrika Atsinanana. Tamin' ny fiantombohan' ny taonjato faha-21 dia ny kristianisma sy ny silamo no fivavahana lehibe indrindra aty Afrika. Ny isan' ny Kristiana aty Afrika no mahery mitombo indrindra maneran-tany tamin' ity taonjato faha-21 ity. Izany fitomboana izany dia vokatry ny fielezan' ny kristianisma evanjelika sy ireo fiangonana teratany afrikana izay 36 %n' ny mponina aty Afrika atsimon' i Saharà, ka Katôlika ny 21 % amin' izany.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search